Ny Antily

Image Hosted by ImageShack.us

Thursday, June 08, 2006

Ny atao hoe ANTILY

Inoako fa efa avy namaky ny momba ny Skotisma fototra nohazavaiko teo aloha Ialahy matoa tonga eto amin'ity lohahevitra ity. Raha mbola tsy namaky izany ialahy dia tsara aloha raha mitsidika sy mamaky ireo pejy ireo vao miverina eto fa manjary tsy azon'ialahay tsara ny tiana hambara.
Skotisma fototra



NY ANTILIN'I MADAGASIKARA




Ny Antilin'i Madagasikara misy antsika dia fikambanana mijoro sy maka fototra amin'ilay Skotisma nohazavaiko teo. Izany hoe:
      • Manabe Tanora ho lasa OLONA ( Mikatsaka ilay Tanjona iraisana'ny SKOTO)
      • Mikatsaka ireo vokatra 3 tiana ho azo.
      • Mampifanaraka ny fanabeazana amin'ny FILANA rehetra.
      • Manabe ireo singa 6 (Seha-pibeazana)
      • Mampihatra ireo fomba fanao 7.

Io aloha no maha ao anaty SKOTISMA azy. Fa ny mampiavaka azy kosa dia izao:
Ny Antily dia Fikambanana SKOTO Zazalahy, Fikambanana Masina mijoro ao anatin'ny EGLIZY KATÔLIKA ROMANINA (E.K.A.R).

Izany hoe:
      • Mino ary manaraka ny Finoana Katôlika.
      • Manaraka sy mankatoa ny drafitra rehetra nampetraky ny fiangonana momba ny Fikambanana Masina
      • Manaraka sy mankatoa ny SATA mifehy ny Fikambanana Masina izay avoaka sy avaozin'ny Fiangonana.
      • Mampifanaraka ny fanabeazana amin'ny fomba sy finoana Katôlika.
      • Mankatoa sy manaiky ny fanampahankevitra rehetra raisin'ny Fiangonana.
Mijoro sy miasa ao anatin'ny Fiangonana Katôlika.


Azavaiko ny sasany amin'ireo mba ho azon'ialahy tsara:

MINO ARY MANARAKA NY FINOANA KAÔTLIKA:



Toy izao izany finoana Katôlika izany:

        • Mino an'Andriamanitra Trinite Masina
        • Mino ny Ray nahary sy mitia antsika
        • Miray aina sy mivelona amin'ny Eokaristia izay tena Andriamanitra raisina ao anatin'ny Komonio dia i Jesoa ilay Zanaka sy Tenin'Andriamanitra tonga nofo sy niaina niaraka tamintsika.
        • Mino ny mizara ny Fitiavana izay nanoloran'i Jesoa ny ainy tamin'ny hazo fijaliana ho porofon'ny fitiavana namonjeny ny olona rehetra.
        • Mino ny Asan'ny Fanahy Masina izay Andriamanitra miasa ankehitriny sy mandrakizay ka miteny amin'ny Vavan'ny Papa Ray Masina, Mamoaka ny fanapahan-kevitry ny fivoriamben'ny Eveka, Miteny amin'ny vavan'ny Pretra, ary Nanapaka ny hevitra ao amin'ny fivorian'ny Kômitim-Piangonana.
        • Mino sy manaja an'i Masina Maria izay Renin'Andriamanitra sy renintsika rehetra, notorontoronona tsy azon-keloka, ary mpanalalana antsika eo anatrehan'Andriamanitra.
        • Mino sy manaiky ny Fiombonana sy ny fisian'ny olo-masina ka manaja azy ireo.
        • Mino sy miandry ny fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana any an-koatra.



MANABE AMIN'NY FOMBA KATÔLIKA:


      • Eo amin'ny "Fikatsahana an'Andriamanitra"
Amin'ny Ara-panahy rehetra dia ny finoana Katôlika no anabeazana ny tanora. Manaraka ny Katesizin'ny Fiangonana. Mandray ny Sakramenta sahaza rehetra, manao Fihatahana masina sy fandinihan-tena na alim-bavaka, mianatra sy miaina ny Tenin'Andriamanitra. Mizara ny finoana ary indrindra mampiaina ny A P V. Mamonjy Lamesa, manao Litorjia, miServy Lamesa ...etsetra...



      • Eo amin'ny fomba sy fiainana eny anivon'ny Fiaraha-monina (kartier)
Manana ny fombany sy ny toe-piainany ny Mpino Katôlika ka ny fampanjaka ny Fitiavana no loha laharana ka tsy tokony hivaona amin'izany ny zavatra anabeazana ireo tanora. Fadio ireto fa tsy ahitana taratra ny Fitiavana: -Zava mahadomelina- Alikaola- Ady- Fialonana- kolikoly- Fanavakavahana- Risoriso- Fanambakana- Fijangajangana- Halatra- Filokana . . .


      • Amin'ny lahasa atao:
Maro ireo lasaha atao mba hahatontosa ny fanabeazana tiana hampitaina. Tandremo anefa fa tsy tokony hivaona amin'ny finoana izany.
Ohatra fotsiny: tsy mbola eken'ny finoana Katôlika ireo karazana fanabeazana aizana aely ankehitriny, noho izany tsy tokony hanao lahasa mikasika izany ny Antily, toy ny manao hetsika fanentanana hampiasa fimailo.



FANAMARIHANA:


==>Mahazo miditra sy mijery ary manara-maso ny fomba fiasa na ny zavatra rehetra ataon'ny Antily izany ny Fiangonana. Na ara-panabeazana io, na ara-fitantanana, na ara-bola sy ara-pitaovana indrindra fa amin'ny fanabeazana ara-panahy.

==>Afaka mametra, mandamina na mandrara ny soritr'asan'ny Antily koa ny Fiangonana ary afaka mametraka sy mampanaraka ny soritr'asany.

==>Manana zo hanala sy hanafoana ny Antily ao anatiny ny Fiangonana.

==>Inoantsika fa avy amin'ny Fanahy Masina ny tenin'ny Papa, ny Eveka, ny Pretra Curé, na ny Fanapahan-kevitry ny Kômity ka tsy azo lavina fa tokony ary tsy maintsy ankatoavina.

Raha tsy eken'ialahy ireo maha Antilin'i Madagasikara antsika ireo dia horesanay lahatra ialahy fa tsara ny Antily, nefa raha tsy mety dia omen-dalana ialahy hamonjy fikambanana SKOTO hafa tsy miakina amin'ny finoana toy Ny KIADY na Ny SCOUT du MONDE. Satria Masina ny fikambanana ary tokony hiaina amin'izany maha fikambanana masina azy izany.

Fa inona indray ary ny ity hoe SCOUT du MONDE ity?
Eo indrindra isika izao. Aza maika fa diniho sy saintsaino aloha ireo efa nazavaiko, ataovy toy ny voan-kazo an'ala, fa homeko amin'ny manaraka ny momba izany.